Tsy vao androany akory io hevitra io fa efa hatry ny ela no ketrehina tato an-doha : ny famoronana teny vaovao iray. Amiko manokana aloha io fiteny noforonina izay mitondra ny anarana “Kriollatino” io dia tsy natao ho fiteny iraisam-pirenena mora ianarana, na dia anisan’ny iriako ho an’ny fiteny noforoniko aza izany. Ny tena antony namoronana io fiteny Kriollatino io dia fiteny natao ho teny ofisialin’ny firenena iray lehibe izay ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Izay firenena izay moa dia noforonina ihany koa mazava ho azy.Efa ho dimy taona any ho any izay ny vangovangon-drakibolana voalohany natao ho an’io teny io ; Kriollatino anaran’ilay fiteny tamin’izany fotoana izany : fiteny somary mitovy amin’ny teny espaniola fa manana ny maha-izy azy manokana, ary mbola sarotra ianarana nohon’ny teny espaniola ilay izy, ka noho izaho tsy manam-potoana ny hamehy azy ary mameno ny rakibolany, nadaboko ilay hevitra ary lasa nivily tany amin’ny zavatra hafa.

Na dia izany aza, dia tsy nadaboka tanteraka ilay hevitra : notsòriko hatrany ny fitsipi-pitenenana mikasika ny matoanteny (fanafoanana ireo matoanteny tsy manara-pitsipika) , ny anarana iombonana (fanaovana ny anarana ho karazana tokana, ary isa roa), ary fanampiana tovona aman-tovana vaovao izay manome ny maha-izy azy manokana.

Raha ny rakibolany no tena jerena dia hita fa sahala ny fiteny esperanto ilay fiteny. Anefa rehefa vakiana ny famaritana somary lava ary ny lahatsoratra lavalava voasoratra amin’ilay fiteny, dia hita fa samihafa tanteraka.

Ankehitriny izao ny tenako mbola am-panoratana ny rakibolana ary ny fitsipi-pitenenana. Izay mbola tsy vita noho ny fiovan’ny endrik’ilay fiteny matetika, noho ny fipoiran’ny hevitra vaovao…

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *