Fomba fandraisan’anjara dimy amin’i Wikibolana

Ity lahatsoratra ity dia dikanteny amin’ny teny malagasin’ny lahatsoratra nosoratako tamin’ny teny anglisy vao andro vitsivitsy izay.
Mandray anjara tamin’i Wikibolana aho nanomboka tamin’ny taona 2010. Lasa fahazarana ilay izy: isam-bolana,isan-kerinandro, isan’andro, ary isa-maraina na isa-kariva, dia alefako ny mpitety tranonkala ijerena izay zavatra nitranga teo amin’i Wikibolana, ary mijery ny zavatra izay azoko atao mba hanampiana votoatiny be kokoa.
Tsindraindray dia tena manam-piniavana ny hanampy fampahalalana iray amin’ny pejy maro aho ka mandany ora maromaro manoratra fandaharana hanampiana izany amin’ny fomba faran’izay haingana.
Ary tsindraindray aho dia tena tsy tia handray anjara, ka mijery ny fiovana farany sy mijery ireo pejy izay mety nosimbaina aho, na mijery ireo pejy novain’ny mpikambana hafa.
Na dia izany aza, dia betsaka ireo fomba fandraisana anjara ao amin’i Wikibolana. Dimy amin’ireo no ho atolotra eto:
(1) Manoratra pejy amin’ny tanana. Zavatra mora indrindra atao na dia zavatra mahavizaka indrindra amin’ny voalaza aza. Manomboka nanoratra pejy amin’ny tanana (amin’ny alalan’ny fitendry) avokoa ny mpandray anjara rehetra, ary mety ho toa izay hatrany mandritra ny telopolo taona. Amin’ny 2045, dia ho lasa tola ny Wikipedia na i Wiktionary amin’ny endriny ankehitriny raha tsy efa manova ny votoatiny ho azy.
Alohan’ny hitrangan’izany dia ho betsaka dia betsaka ny asa atao. Na dia izany aza, dia afaka mampitombo ny habetsaky ny asa vitanao ianao amin’ny alalan’ny fianarana manoratra fandaharana. Rehefa hay tokoa izay dia:
(2) Manoratra fandaharana manoratra pejy izay mety ilaina ahitsy rehefa aty aoriana. Mora izany, ka niezaka tamin’izany aho nandritry ny telo taona. Rehefa mandeha ny fotoana dia betsaka ireo pejy voaforona, ka na dia kely aza ny taham-kadisoana dia lasa betsaka ireo pejy misy hadisoana. Ekena izany, fa betsaka noho izany ireo pejy tsy misy hadisoana. Rehefa ampiarahana amin’ny rakibolan-teny mitovy hevitra sy fahaiza-manodina teny voajanahary (Natural language processing) dia afaka mampamaritra teny tsy afaka dikaina amin’ny fiteny tanjona ianao.
(3) Manoratra fandaharana mamaky gazety ahitana ireo teny sy pejy tsy misy. Rehefa feno ny rakibolana dia mihasarotra hatrany ny fahitana teny vaovao hoforonina. Mety tsy hanam-piniavana ny hamaky lahatsora-gazety am-polony ianao, ka manorata fandaharana hamaky azy ireo ho anao ary maka ireo teny tsy ampy ho anao. Rehefa vita izany dia manorata fandaharana mitady ireo teny nakambana rehefa ary hanampy azy ireo ao amin’i Wikibolana. Ny lenta eo ambonin’izany karazam-pandaharana izany dia mpitady teny mivantana mamaky fahan-tsoratra avy ao amin’i Twitter ohatra, ary mametraka ireo teny rehetra tsy mbola voafaritra ao amin’i Wikibolana amin’ny faran’ny andro.
Zavatra iray ny mianartra manoratra fandaharana, fa zavatra roa samihafa ny fanampiana fampahalalana ary ny mahafantatra hoe fampahalalana inona no tsara ampiana. Rehefa mitsiry ny hevitra, na misy angona mikasika ny teny mahaliana eo am-pelantanana dia manorata fandaharana hametrahana ireo singam-pampahalalana ireo amin’i Wikibolana. Ataovy am-panajana ireo zom-pamorona izany.
(4) Mitety rakibolana ary manampy teny tsy fahita matetika. Mahaliana anao ve ny etimôlôjia? Am-pianarana teny vaovao ve ianao? Misy ao amin’i Wikibolana ve ireo teny ireo? Aza misalasala fa ampio ireo teny ireo. Atao am-panajana zom-pamorona foana izany. Azo heverina hoe asan’ny tena ny fakana teny maro avy amin’ny rakibolana maromaro, fa aza mandikadika foana ny famaritan-teny. Nanao izany aho ary saika voatory noho ny fitarainan’ny tompon’asa. Raha havanana amin’ny haranitan-tsaina voatrolombelona (AI) sy fahaiza-manodina teny voajanahary ianao dia manorata fandaharana mandika fehezanteny.
Mahery ny fandaharana. Betsaka ny fotoana ilaina amin’ny fanoratana fandaharana tsara, ka tsy vonona ny hianatra izany ny ankamaroan’ireo mpandray anjara, ka inna ny atao?
(5) Manorata amin’ny Wikibolana amin’ny teny nibeazanao. Raha atokantsika ny teny angisy dia soratana anaty fiteny 170 ny Wikibolana. Betsaka amin’ireo no manam-pejy latsaky ny iray hetsy. Vokatry ny finiavako ny hamorona ny rakibolana lehibe indrindra amin’ny teny malagasy ny haben’i Wikibolana malagasy amin’izao fotoana. Raha tsy teny anglisy no eny nibeazanao, dia mianara teny vahiny ary ampio ny teny ampiasainy, na ao amin’ny Wikibolana na aiza na aiza. Raha tsy mahaliana ana ny fianarana teny vahiny dia ampio ireo tenin-jatovo tsy mbola hita amin’ny teny nibeazanao.

Ny ho avin’ny teny malagasy

Amin’izao fotoana izao dia ohatry ny maro ireo mpiteny malagasy kivy ratsy amin’ny fomba fanoratan’ny sasany ny tenin-drazany eo amin’ny Aterineto. Na aiza na aiza aho mamaky dia mahita olona mitaraina mikasika ny tsipelina foana aho, na amin’ny teny anglisy, na amin’ny teny frantsay, na amin’ny teny malagasy. Inona ny nahatonga izany?
Voalohany indrindra aloha, dia mba aoka aho hanolotra ny tenako (ho an’izay tsy mahay miteny anglisy). Izaho dia mpianatra amin’ny fianarana ho injeniera amin’ny kajimirindra (informatika). Roapolo taona mahery aho, olom-pirenena malagasy, monina eto Frantsa, ary mpandray anjara eo amin’ny tetikasa Wikimedia amin’ny teny malagasy. Amin’ny maha-teknisianina ahy, dia misy fanazavana voalohany amin’io tsipelina tsy manajahaja ny fiteny io.

Ny ho avy?

“Tsy haharitra mandrakariva ny fomba famaritana zavatra iray. Tsy haharitra mandrakariva ny anarana amaritana zavatra iray.” hoy i Laozi.
Tsy diso izy. Efa hita fa samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny teny malagasy notenenina tamin’ny andron-dRadama. Ary azo inoana mafy fa ho samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny endriky ny teny malagasy afaka 200 taona. Mety hitranga arak’izany ny fahatsorana ara-boambolana ary ara-pitsipi-pitenenana : mety hanisa amin’ny fomba mahitsy (toa ny fiteny tandrefana, na ny fiteny sinoa) isika ; mety handrafitra abidy vaovao izay tsy misy fifandraisana amin’ny abidy efa mahazatra antsika isika. Mety hiova lalina ihany koa ny fomba fanononana, ary torak’izany ny fomba fanoratana.

Fiantraikan'ny abidy malagasy
Fiantraikan’ny abidy malagasy vaovao amin’ny tsipelin-teny (fiaviana : boky Lala sy Noro, avy eo amin’i http://hery.blaogy.com/post/4/8301)

Ao amin’ny Akademia Malagasy izao dia efa misy ny resaka mikasika ny fanovana ny fomba fanoratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny abidy vaovao (adihevitra nandraisako anjara teo amin’i serasera.org, tamin’ny anarana Tibao). Hisy taratasy hivoaka atsy ho atsy momba izany, ka raha mipetraka ao Antananarivo ianao dia mety hivoaka amin’ny robrika “kolontsaina” amin’ny gazety izany. Raha entin’ny finiavan’ny vahoaka miteny malagasy sy ny Fanjakana vonona ny hamerina ny fanagasiana izany dia mety ity no ho endriky ny andininy voalohan’ny Fanambarana Iraisam-pirenena ny Zon’olombelona :

Andinini I : Nateraka hu afaka si hituvi ni ulumbeluna rehetra na eu amin’ny zu na eu amin’ny hasina. Sami manan-tsaina si fieritreretana ka tukuni hifampitundra am-pirahalahiana.

Tsy hanova ny tsipelin’ny teny tsy misy ny litera “y” sy “o” sy “j” io abidy malagasy tadiavina ny hanolo ny abidy taloha io, satria hivadika “dz” ny “j” rehetra amin’ilay abidy. Torak’izany koa ny “y” hivadika “i” na aiza na aiza, ary ny “o” hivadika “u”. Mitovy amin’ny mahazatra ihany ny fanononana, fa ny fomba fanoratana ny teny fotsiny no ovaina kely.

Efa miova ny fomba fanononana

Tokony efa nahatsikaritra izany ianareo : inona ny mampiavaka ny teny tsidio ary tsidiho ? Tsy misy. Samy mitovy ny fomba fanononana ireo teny roa ireo, satria tsy tononina intsony ny /h/. Ity indray mbola misy hafa : inona ny mampiavaka ny teny may sy mahay ? Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy misy. Fa ho an’ny olona sasany, dia misy ilay izy, na dia kely fotsiny aza. Ohatra fahatelo : iza no tena marina: mande sa mandeha? Raha “mande” no voafidinao dia diso ianao, na dia /mande/ aza no fanononantsika ilay teny “mandeha” ankehitriny. Ny fanovana kelikely ohatr’izany no mahatonga ny teny mivoatra. Ary mety ho tian’ny olona izany, na mety tsy ho tiany ihany koa.

Fanatontoloana ary ny fiantraikany amin’ny tenin-drazana

Manana ny fiantraikany ihany ka ny fanatontolona amin’ny teny malagasy. Ny mahatonga ny tanora ohatra anay miteny vary amin’anana amin’izao fotoana izao dia anisan’ny vokatr’io Fanatontolona io ; manomboka avy any amin’ny fara tampon’ny Fanjakana ny ohatra, ka haninona ny mponina no tsy hanaraka?
Raha amiko manokana dia fahadisoana lehibe ny famelàna ny teny frantsay ho anisan’ny teny ofisialin’i Madagasikara tamin’ny fandrafetana ny Lalam-panorenan’ny Repoblika fahaefatra. Tsy tanteraka ny fiovàna lehibe nampanantenain’ireo mpitondra, ka mbola hahazo alalana ofisialy ny “hiteny vary amin’anana” foana ireo mpiasam-panjakana sy ireo manam-pahefana izay ekena fa miezaka ny mampiasa teny malagasy madio amin’ny kabary sy tatitra ofisialy. Tsy vao androany no misy an’izany, ary efa nitranga 15 taona lasa izany arak’ity kabary manaraka ity :

“Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin”izao période de décollage économique izao.
Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin”izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin”ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n”ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila straté ;gie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.
Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin”ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.
Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !”
— Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana  (25 Jona 1994)

Kabary tena natao hanentana ny tantsaha teny ambanivohitra io kabary nodikaina an-tsoratra teo ambony io tamin’ny 1994, ka mazava ho azy tsy nahateny inona na inona izy ireo, izay tsy nahazo teny frantsay. Kanefa teny “frantsay” hatramin’ny teny famaranana no nampiasain’ilay tovolahy mpandaha-teny. Ka rehefa avy nangina sy nifampijerijery ny iray trano dia ity no nolazainy tamin’ireo tantsaha :

“izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony,” — Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana (25 Jona 1994)

Mety hankarary ny sofin’ny sasany ny kabary tahaky ny teo ambony, ary mino aho fa tsy mety nanao kabary tamin’ny tantsaha intsony ilay rangaha diso fanantenana tamin’iny tsifahombiazana iny. Vao nivoaka tamin’ny fangasiana  ny Malagasy tamin’izany fotoana izany, ka naverina ho teny frantsay indray ny teny enti-mampianatra. Na dia izany aza, dia azo lazaina fa diso kajy ihany ilay mpandaha-teny satria dia noheveriny fa nahay teny frantsay hoatr’azy daholo ny iray trano.
Amin’izao Fanatontoloana vokatry ny Aterineto ary ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena izay atao amin’ny teny anglisy izao, dia manomboka miditra ao amin’ny teny malagasy (indray) ny teny anglisy. Saika tsy misy fanagasiana ohatry ny tamin’ny taloha fa tonga dia miditra manta tsotra izao : crowdsourcingcloud computingoutsourcingmanager, sns.

Lamaody vaovao

Hoy ny sasany : “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Teny malagasy ihany no misy ao Madagasikara, ka raha manomboka miteny vahiny ianao dia ohatry ny lazaina hoe manam-pahaizana be. Zava-dehibe amintsika malagasy ny fahaizana, ka izany no mahatonga ny lamaodin’ny sasany “miteny vary amin’anana”. Azo lazaina fa tafaverina tsikelikely amin’ny fampiasana teny malagasy madio indray isika malagasy amin’izao fotoana izao, na dia mbola tsy ampy tsara aza ny ezaka. 
Inona ny hevitrareo mpamaky mikasika ny ho avin’ny teny malagasy?

Volan’i Janosy, mandinika ny efa lasa ary mijery ny ho avy

Rehefa mandroso ny taona dia mahatsapa aho fa hoatry ny mihahaingana hatrany ny fandrosoan’ny fotoana. Efa lasa sahady ny taona 2013. Tsy hitahita akory dia efa folo taona mahery izay no nialako an’i Madagasikara. Roapolo taona tamin’ny volana Jolay aho. Inona sisa no tavela tato an-dohako tamin’iny taona 2013 iny?
Andao ary isika hanomboka amin’ny fihatombohany. Efa mby hifarana ny taona 2012. Taiza aho? Lasa nanao reveillon niaraka tamin’ny raiamandreny tany amy tanàna izay tsy fantatra intsony ny anarana. Tany aho no nankalaza ny fahatongavan’ny taona 2013.
Fara andro tsy tanteraka
Tamin’ny volana Jolay 2012, nanoratra lahatsoratra momban’ny fara andro izay noheverina fa hitranga tamin’i 21 Desambra 2012 aho, tamin’ny teny anglisy. Na dia betsaka aza ny zavatra nalefa teo amin’ny fahitalavitra momba io daty io, dia kely finoana ihany aho, fa na dia izany aza, tsy nanakana aho ny hanoratra scenario ho an’io daty io aho : iaraha-malala koa fa tena henjana be ny toe-javatra ara-toe-karena tety Eoropa tamin’izany fotoana izany. Tsy izay irery no tena nanaitaitra fa nisy koa ilay vinanin’i Web bot, izay mambara fa ho fara andro ny 21 Desambra 2012. Tamin’ny voalohany dia teo amin’ilay lahatsoratra teo aho no namoaka ilay hevitra ary nanitratra azy teto amin’ity blaogy ity. Rehefa dilatra ny 21 Desambra, dia tsy hay intsony izay vaovao momban’ilay Webbot izay milaza fa maminany fara andro izay.
Miofana an’asa
Rehefa tonga kosa ny 2013, ary tsy nisy zavatra manokana nitranga. Marina fa betsaka ireo olo-nalaza maty. Tamin’ny faran’ny volana Janoary, nitady orinasa hiofanana aho, ary nahita tapa-bolana taorian’izay. Orinasa miasa amin’ny kajimirindra izay orinasa izay ary ny tena ataony dia mamorona rindrankajy hanaovana sary ary hanaovana piesy mekanika. Na dia mahay manao fandaharana informatika aza aho, dia tsy mora ny zavatra niandry ahy tany.
Nandritry ny roa volana sy tapany, dia manao 80km isan’andro aho mandeha lamasinina. Na dia betsaka aza ny zavatra nianarana, vizaka ihany ny vatana rehefa ela ny ela. Rehefa vita ny fanolorana am-bava ny tatitra (frantsay: soutenance) dia “fialan-tsasatra” no teny voalohany tonga tato an-tsaiko : tapa-bolana aho tsy nanoratra fandaharana na inona na inona amin’ny fiteny fandaharana C na Python na amin’izay fiteny rehefa voafehiko. Tsy nahaforona lahatsoratra teo amin’i Wikipedia koa aho fa tena leo niasa.
2013-2014, ilay taom-pianarana saika fotsy
Rehefa nifarana tokoa ny taona ary rehefa azo ny mari-pahaizana dia nangataka fianarana hanohizana ny fiofanana. Tao amin’ny Oniversiten’i Versailles, ary tao ihany, aho no nametraka kandidatiora. Tamin’ny volana Septambra vao nivoaka ny valin’ny kandidatiora : voalà – tsy mahazo miditra. Ny fianarana amin’izany efa miditra daholo, ary vitsy ireo fianarana mbola mandray mpianatra. Notetezina daholo ireto fianaran’i Île-de-France, fa mbola tsy nahita foana. Na dia izany aza, nametraka kandidatiora tao amin’ny fianarana ho injeniera aho, fa kely finoana ihany aho tamin’iny satria efa niditra ny mpianatra.
Nisasaka ny volana Septambra ka mbola tsy nisy namaly ireo fianarana hafa nametrahako kandidatiora. Na dia izany aza mbola nisy ihany ny fanantenana satria efa fantatro fa ho BAC+3 aho farafaharatsiny (nametraka kandidatiora tamina lisansa profesionaly aho, ary fantatra fa ho voaray na inona na inona mitranga). Kinanjo tonga ny valin-kandidatiora napetraka tatsy amin’ilay fianarana ho injeniera : voaray tao aho.
Nanomboka telo andro taorian’ny valin-kandidatiora ny fianarana ary tsy nisy fianarana tokony nenjehina.

Dikanteny anglisy-malagasy

Rehefa avy namboatra diksionera aho dia lasa namorona mpandika teny iray.
Io mpandika teny io dia mandika ny teny anglisy amin’ny teny Malagasy nosoratana amin’ny alalan’i PHP izay mampiasa fisie *.txt ho an’ny rakibolana ary ny parser.
Efa ora maromaro izay no laniko nanamboarana io mpandika teny io, efa vita hatry ny ela ny dingana voalohany (izany hoe dikanteny mot-à-mot), kanefa tsy dia maha-afa-po loatra ny fehezanteny avoakany amin’ny teny malagasy. Manomboka manaketrika ny dingana faharoa aho kanefa mbola tsy maha-afa-po foana ny valiny. Ity misy ohatra iray:

I am to speak of the American Vandal this evening, but I wish to say in advance that I do not use this term in derision or apply it as a reproach, but I use it because it is convenient; and duly and properly modified, it best describes the roving, independent, free-and-easy character of that class of traveling Americans who are not elaborately educated, cultivated, and refined, and gilded and filigreed with the ineffable graces of the first society. The best class of our countrymen who go abroad keep us well posted about their doings in foreign lands, but their brethren vandals cannot sing their own praises or publish their adventures. (avy amin’i The American Vandal Abroad nosoratan’i Mark Twain)

nodikain’ilay mpandika teny :

izaho manafatrafatra amin’ny ny ny amerikanina firintsy ity hariva izaho anefa faniriana hono amin’ny amy dingina izaho ilay tsy akory manao mampiasa term ity derision amy na mampihatra toy azy fananarana izaho anefa mampiasa fa azy azy manavanana ary duly ary properly modified faratampony azy describes ny dia mahaleotena free-and-easy fomba ny ilay class ny traveling American izay tsy akory elaborately avara-pianarana cultivated ary Showing or having good feelings or good taste. ary Endrika efa lasa an’ny matoanteny gild ary Having filigree ornamentation miaraka miaraka amy ny ineffable graces ny ny aloha fikambanana . faratampony ny ny class -ay andao izay mibodo andafy fantsakàna us mikasika posted doings their vahiny amy lands, their anefa vandals brethren manara-bava cannot manana their na praises their publish sendrasendra

Raha jerena ny resaka fitsipi-pitenenana ary ny filahatry ny teny ao anatin’ny fehezanteny, dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Efa misimisy ihany anefa ny ezaka amin’ny famadihana ny toeran’ny mpamari-toerana ary ny anarana iombonana, araka ny hitantsika anatin’ity fehezanteny ity: “that beautiful woman is my wife” (vadiko ilay vehivavy mahafinaritra iny) izay nodikainy hoe “ity vehivavy mahafinaritra -ko andefimandry”.
Ilaina fantarina ihany koa fa dikanteny iray ihany no fidian’ilay mpandika teny ao amin’ny rakibolana. Ka arak’izany izy io tsy miraharaha ny polisemia ananan’ny teny. Ny olana faharoa amin’ny fampiasana fisie dia ny filàna manokatra azy isaky ny dikan-teny, ka rehefa mahery ny 2 megaoktety ny totalin’ny haben’ny fisie rehetra sokafana dia miteraka hadisoana ilay dikanteny, izay manakana azy hanao ilay dikanteny eo amin’ny efa-joro. Ka ny fameetrahana banky angona no mety hahavaha izany olana izany.

Birao KDE amin’ny teny malagasy

Raha ny fantatro ankehitriny dia mbola tsy tanteraka ny fandikana amin’ny teny malagasy ny birao KDE. Nojereko teo amin’ny tranonkala ofisialin’i KDE localization ilay izy, dia ny teny eoropeana no hitako manjakazaka : fiteny portogey, anglisy, frantsay… Noho izany ny tenako dia nanan-kevitra ny handika ilay birao amin’ny teny malagasy. Fantatro fa betsaka ny asa mbola hatao, anefa koa ny fotoana mihakely. Na dia izany aza, aleo mampandroso ny zavatra toa izay mamela azy eo amin’ny toerany dia miandry azy ho vitan’ny hafa izay mety tsy ho avy mihitsy.

Mikasika ny rindrankajy ampiasaiko indray ho an’ny dikan-teny dia Lokalize no ampiasiko. Io no hitako mora ampiasaina.

Kriollatino, fiteny noforonina : toko voalohany

Tsy vao androany akory io hevitra io fa efa hatry ny ela no ketrehina tato an-doha : ny famoronana teny vaovao iray. Amiko manokana aloha io fiteny noforonina izay mitondra ny anarana “Kriollatino” io dia tsy natao ho fiteny iraisam-pirenena mora ianarana, na dia anisan’ny iriako ho an’ny fiteny noforoniko aza izany. Ny tena antony namoronana io fiteny Kriollatino io dia fiteny natao ho teny ofisialin’ny firenena iray lehibe izay ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Izay firenena izay moa dia noforonina ihany koa mazava ho azy.Efa ho dimy taona any ho any izay ny vangovangon-drakibolana voalohany natao ho an’io teny io ; Kriollatino anaran’ilay fiteny tamin’izany fotoana izany : fiteny somary mitovy amin’ny teny espaniola fa manana ny maha-izy azy manokana, ary mbola sarotra ianarana nohon’ny teny espaniola ilay izy, ka noho izaho tsy manam-potoana ny hamehy azy ary mameno ny rakibolany, nadaboko ilay hevitra ary lasa nivily tany amin’ny zavatra hafa.

Na dia izany aza, dia tsy nadaboka tanteraka ilay hevitra : notsòriko hatrany ny fitsipi-pitenenana mikasika ny matoanteny (fanafoanana ireo matoanteny tsy manara-pitsipika) , ny anarana iombonana (fanaovana ny anarana ho karazana tokana, ary isa roa), ary fanampiana tovona aman-tovana vaovao izay manome ny maha-izy azy manokana.

Raha ny rakibolany no tena jerena dia hita fa sahala ny fiteny esperanto ilay fiteny. Anefa rehefa vakiana ny famaritana somary lava ary ny lahatsoratra lavalava voasoratra amin’ilay fiteny, dia hita fa samihafa tanteraka.

Ankehitriny izao ny tenako mbola am-panoratana ny rakibolana ary ny fitsipi-pitenenana. Izay mbola tsy vita noho ny fiovan’ny endrik’ilay fiteny matetika, noho ny fipoiran’ny hevitra vaovao…

Fiteny noforonina : fiteny esperanto

Esperanto?

Mety efa nahenoheno ny fisian’ny teny esperanto ihany angamba ianareo… Ho an’izay tsy mbola naheno ny fiteny esperanto dia ity henoina, na ity vakio. Raha te hianatra ny zava-misy amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity jerena. Raha te hijery ny vaovao amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity vakiana.  Maro dia maro ireo Tranonkala hita amin’ny teny esperanto eo amin’ny aterineto, ary vao haingankaingana teo, afaka mandika amin’ny teny esperanto ny mpandika tenin’i Google Translate.

Ny tena tanjon’ny teny esperanto moa dia ny fananana teny oniversaly izay tsy manana fiaviana ara-tantara, ary noho izany tsy manana fianjadiana firy eo amin’ny lafin’ny ara-kolontsain’izay olona mampiasa azy na amin’ny fiainana mandavanandro na amin’ny fifandraisana amin’ny vahiny. Tsy fitenya ary tsy natao ho fitenin’ny mponina/firenena iray ny fiteny esperanto toa ny fiteny frantsay, anglisy, espaniola, na sinoa fa natao ho fitenin’ny mponina rehetra ; ary notsorina ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana mba hanamora ny fianarana azy.

Ny lafitsara ary ny olan’ny teny esperanto izay miseho ho fiteny oniversaly

Ny lafitsara amin’ny fiteny esperanto ho fiteny iraisam-pirenena, dia izy io mora ianarana ary mora tononina tsy ohatry ny teny anglisy (miisa eo amin’ny zatonjatony eo ho eo ny fitsipi-pitenenana). Izy io koa amin’izay tsy mi-”favoriser” ny olona miteny anglisy, izany hoe ny britisy sy ny amerikana intsony no mahazo tsy mianatra teny vahiny. Fahatelo, mety tsy very vola amin’ny dikan-teny isan-karazany intsony ny fikambanana tsirairay (toa ny vondrona eoropeana izay mandany 0,3 miliara euro amin’ny dikanteny).

Tokana ihany ny fihavian’ny voambolona fotony : ny 90%-n’ny voambolana sy ny fototeny dia avy amin’ny teny indo-eoropeana daholo. Amiko ilay teny oniversaly dia lasa eoropeanina loatra! Misy fanazavana kely ihany izany, satria tamin’ny fotoan’i Zamenhof, manjakazaka eran-tany ny eoropeanina (Afrika, Amerika, India, Indonezia, Oseania…), ka mety nihevitra izy fa haharitra izany (ary marina tokoa izy !).

Mora ianarana ve ?

Ka raha izaho, olom-pirenena malagasy tsy nahalala afatsy teny malagasy, no mianatra esperanto, hahateny esperanto ve izaho afaka 100 ora nianarana esperanto ? Ataoko hoe eo amin’ny 5-800 ora eo ho eo angamba no ilaiko hahafahako miteny esperanto tsara tsy misy fisalasalana. Efa kely izany raha oharina amin’ny teny frantsay, izay, na dia afaka telo taona nianara azy aza, mbola diso foana ny fampiasana ny mpanompo andehilahy/ambehivavy… Tsy lazaina intsony ilay fahasamihafana ara-tsoratra fa tsy ara-panononana ny ces, ses, c’est, sait ! Ka raha mila misafidy amin’ireo teny roa ireo aho (esperanto, frantsay), dia aleoko marina teny esperanto.

Be mpiteny ve ?

Tsy misy statistika tena ofisialy mikasika ireo olona miteny esperanto. Fa lazaina fa eo amin’ny roa ka hatramin’ny 10 tapitrisa any ho any ny isan’ny olona miteny esperanto. Iray na roa alina amin’ireo folo tapitrisa ireo monja no afaka miteny azy tsara ho mira-lenta amin’ny teny nibeazany. Ampahazaton’ireo mpiteny esperanto tsara ireo no nibe tamin’ny teny esperanto (izay antsoinjareo koa hoe denaska parolanto)

Ary ianareo mamaky ?

Mba efa nanandrana nianatra ny fiteny esperanto ve ianareo ? Raha eny dia ahoana no ahitanareo ny fahasarotany, raha tsia kosa, dia ahoana ny ahitanareo ny endriny avy ety ivelany : hitanareo eorosantrista ve ilay fiteny ?

Hatsarana sa habetsahana ?

Habetsahana sa hatsarana ? Misy ny sasany hilaza hoe aleo hatsarana toa izay habetsahana, ary misy ny sasany milaza «hatsarana ankabetsahana», ary ny sasany “habetsahana anie mandeha amin’ny fanangonambola ihany e” … Ka inona ny tena marina ? Habetsahana sa hatsarana ?…

Velom-panontaniana amin’izany aho ankehitriny satria eo amin’ny Wikibolana eo dia misy adihevitra mikasika ny habetsahana sy ny hatsarana, na marimarina kokoa, ny resaka teny iditra amboarina amin’ny alalaln’ny rôbô ary ireo teny iditra amboarina tanana, izany hoe amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpanovan’ilay Wiki fa tsy ny API-ny.

Nanao traikefa aho mikasika ny famoronana votoatiny amin’ny alalaln’ny robo eo amin’ny Wikibolala amin’ny teny malagasy, dia aveo indray teo amin’ny Wikibolana amin’ny teny fijianina ary amin’ny farany, tagalaogy ; ka izao no tena verdict an’izy ity ; tsara ihany ny mampiasa script raha toa ka hampiditra teny anglisy maro dia maro, izany hoe eo amin’ny roa na telo arivo eo ho eo, dia izay ihany ; satria raha manandrana ny handika ny teny hafa ianao, dia misy risque satria mety tsy mitovy ny dikan’ilay teny amin’ny teny anglisy amin’ny teny indonezianina ; jereo fotsiny ny teny star amin’ny teny anglisy, izay azo dikaina hoe «kintana» amin’ny teny malagasy, na «bintang» amin’ny teny indonezianina ; ny dika hafan’i «star» koa anefa dia mety atao hoe «olo-malaza» amin’ny teny malagasy na «pesohor» amin’ny teny indonezianina. Ny olana amin’ilay teny iray mety midika zavatra hafa tsy misy fifandraisana, dia ilay famaritany mety hafangaron’ny milina : lasa «bintang» ohatra ilay «olo-malaza», na lasa «pesohor» ilay «kintana»; tranga tsotra fotsiny ilay nasehoko teto, fa raha ny tena marina dia mety lasa lavitra noho izany ilay olana. Ka raha milanja mahery ny dimy isan-jaton’ny teny iditra ao anaty Wikibolana iray izany olana kely izany, dia mety hametraka olana goavana be ho an’ireo izay mianatra ny teny malagasy ary koa ho an’ny malagasy izay mianatra teny vahiny. Ka izany zavatra izany, na dia iray tokana anatin’ny iray alina aza, dia manimba ny hatsaran’ny rakibolana foana, indrindra indrindra rehefa manakaiky ny iray tapitrisa ny isa tontalin’ny teny iditra.

Tsy afaka miresaka mikasika ny hatsarana izany isika eto amin’ity Wikibolana ity raha toa ka vitsy kely (izany hoe eo amin’ny folompolony eo ny isan’ny lahatsoratra) ny lahatsoratra voasoratra ato. Raha tsy tonga any amin’ny zaton-jatony any ho any ny isan’ny lahatsoratra dia tsy tokony hiadihevitra mikasika ny hatsaran’ny rakipahalalana isika, torak’izany koa ny mikasika ny rakibolana.

Tsy afaka miresaka mikasika ny hatsarana ihany koa anefa isika raha roa na telo fotsiny no isan’ny lahatsoratra, na dia vita tsara dia tsara aza izy ireo. Manomboka mireasaka mikasika ny hatsarana isika, rehefa tonga eo amin’ny roa na telo arivo eo ho eo ny isan’ny teny iditra, ka eo izy azo tombatombanina ny votoatiny. Raha latsak’izay dia kely loatra ny isany.

Ka izao ny olako miaksika ny fanadihadiana ny hatsarana ary ny habetsahana : tia handray anjara eo amin’ny Wikibolana amin’ny teny tsy fantatro aho, eo amin’n efapolo eo ho eo no isan’ny teny iditra ao anatiny ; ireo teny iditra ireo, dia tsy bordel be daholo. Ka raha tia hampitombo azy ianao, dia manao izay ilaina haha-mpandrindra ny tena, dia aveo amin’izay manadio ny votoatiny ao anatin’ilay wiki. Dia aveo amin’izay manomboka mamorona ny teny iditra mbola tsy misy. Azo atao izany, fa anefa mangata-potoana ihany, ary ho an’ireo sasany izay be dia be mihitsy «andrianiny ny fiteniny, ary ampiany ny an’ny hafa». Misy koa ny manana fisainana toa izao «andrianiny ny fiteny ampiasiana indrindra eo amin’ny aterineto, ary avelany hi-demerde ny hafa».

Misy koa ny hafa tia hampitombo ny wiki hafa, anefa vitsy ireo sady kely ny fotoana hananany hanaovana izany, izany hoe ny manao fikarohana mikasika ilay teny, dia aveo mameno ny Wikibolana avy amin’izay fahalalana nangonona izay. Anefa izany mangata-potoana ka eto amin’ny toerana ipetrahako, izany hoe aty Eoropa, ary indrindra indrindra amin’izaho mbola mianatra, dia tsy manam-potoana ny hanaovana izany rehetra izany aho ; koa rehefa manam-potoana, dia manoratra script Python hanaovana ilay asa amin’ny toerako, na dia ratsy kokoa aza ny hatsarany amin’izy nosoratana tamin’ny rôbô, satria mety ahitana hadisoana hafahafa (jereo ihany eo amin’ny pejin-dresako sy ny laogin’ny pejy voafafa), izay azo ahitsiana ihany, ho an’izay tia handray anjara amin’ny alalan’ny fanitsiana… Betsaka ny mpikambana malagasy fantatro tia handray anjara amin’ny alalan’ny fanitsiana ny lahatsoratra, ka eo izy afaka manao izany tsara.

Izaho no anisan’izay olona tia handray anjara be dia be izay anefa tsy misy fotoana. Ka tiako hanan-tombontsoa ny wiki hafa amin’ny fahaizako manamboatra rindrankajy. Izany zavatra izany no anisan’ny nampitombo wiki roa ; wikibolana moa no ankamaroan’izy ireo, fa misy koa ny wikipedia. Wikipedia malagasy, wikibolana malagasy, fijianina ary tagalaogy no nandramako ireo script nosoratako ireo (izay miisa eo amin’ny telo ambin’ny folo teo ho eo), ka mandeha tsara ilay izy, na dia mamoaka hadisoana hafahafa aza. Ary ireo hadisoana izay isaina amam-polony ireo no itsikeran’ny mpikambana hafa an’ny tenako, na dia hoe tsy hanimba an’ilay Wiki no asako voalohany, fa manisy votoatiny, avy amin’ny loharano izay azo trandrahana : Rakibolana an-tranonkala, rakibolana taratasy ary ny Wikibolana hafa (anglisy indrindra indrindra). Ankehitriny

Ny mampahantra ny Malagasy

Nandritry ny dimampolo taona nahaleovantena, nikorontana foana i Madagasikara, isaky ny taompolo. Ireo korontana ireo dia nitondra fihemorana ara-toe-karena ary ara-piarahamonina. Rehefa miresaka mikasika io fihemorana io aho dia mikasika ny fivoarantsika oharina amin’ny fivoaran’ireo firenena ivelan’i Afrika. Ka raha oharina amin’ny firenena ivelan’i Afrika i Madagasikara dia lasa nihemotra tanteraka amin’ny lafin’ny ara-toe-karena.

Tamin’ny 1960, mitovitovy tamin’ny Korea Atsimo ny fivoaran’ny firenentsika, ny iray vao nivoaka tamin’ny Adin’i Korea, ny iray nahaleotena tamin’ny Frantsay 54 taona taorian’ny fanjanahan’ny frantsay an’i Madagasikara. Ny iray nampian’ny amerikanina, ny iray kosa nampian’ny Frantsay. Iza amin’ireo firenena roa ireo no mandroso amin’izao fotoana izao ? Madagasikara sa Korea Atsimo ? I Korea Atsimo dia nivoatra ho lasa hery ampiharian-karena izay milanja 1100 miliara dollar. Tsy tena nilatsaka ny GDP an’i Madagasikara, fa anefa nitombo kosa ny isam-ponina : 6 tapitrisa tamin’ny 1960, lasa 22 tapitrisa tamin’i 2011.

Ny politika nentin’ny koreanina mandritry ny dimampolo taona lasa teo dia fiarovana ny orinasam-pirenena, na inona na inona, ary fanampiana ireo orinasam-pirenena hivelatra amin’ny alalan’ny fanamaivanana ny hetra aloaviny. Eo koa ny tsifisian’ireo fikorontanana ara-politika miaraka amin’ny vokadratsiny. Ilay filaminana ara-politika, miaraka amin’ny hatsaran’ny «sécurité», miaraka amin’ny hakelin’ny karama (tamin’izany fotoana) no nanintona ireo orinasa vahiny hampita ny fahaizany amin’ny koreanina. Tamin’izany fotoana izany ny koreanina mbola mandika ny ataon’ny eoropeanina/amerikanina fa ankehitriny izaro koreanina no anisan’ny mpitarika amin’ny resaka fanamboarana finday sy solosaina.

Tsy ny harena an-kibon’ny tany irery no manome harena

Tsy ny harena an-kibon’ny tany no manome ny haren’ny firenena iray fa ny atidohan’ny olona ao amin’ilay firenena. Raha atao sarotra loatra ny fiainan’ireo olona manam-pahaizana ao Madagasikara dia mazava ho azy izy ireo fa hifindra monina any ivelany. Ka raha tia hitazona ireo manam-pahaizana isika, dia andao hamorona ary hiaro ny orinasam-pirenena mba tsy ho voasongon’ny orinasa vahiny eto amin’ny tanintsika, ary andao hanintona ireo orinasam-pirenena ary ireo orinasa vahiny mampiasa olom-pirenena hipetraka eto Madagasikara hampita ny fahaizany.  Mandika izay ataom-bahiny isika vao manomboka mikaroka ary mamorona zavabaovao. Ka raha toa ka harena an-kibon’ny tany no hifotoran’ny harentsika Malagasy, dia mino aho fa tsy haharitra ny harentsika. Satria harena tsy maharitra ny harena ankibon’ny tany ary harena tsy mivao.

Ny vola no anisan’ny olana lehibe tsy hahafahan’ny malagasy mamorona orinasa mavitrika amin’ny lafin’ny ara-pirenena

Rehefa miaino ny olon-tsasany ny tena dia hita fa tsy ny tsifihampian-kevitra no tsy hahafahan’ny malagasy mamorona orinasa mavitrika fa ny tsifananam-bola hanaovana ilay orinasa. Rehefa maheno namana miresaka aho dia hita fa misimisy ihany ireo hevitra, na dia nofinofy aza izy ireo, maro amin’ireo «nofinofy» ireo no azo atao tena mitranga. Resaka vola ihany sisa no olana lehibe. Mihalafo hatrany ny fiainana, anefa tsy miova firy ny vola miditra. Mihakely izany ny zavatra hafa azo atao amin’ny vola afatsy mihinana azy sy mandoa hofantrano. Tsy afa-manangona firy raha tsy efa manana asa maharitra ary be karama. Ary raha na dia mikarama tsara aza mbola ho sahirana ihany : raha tsy diboky ny orinasa vahiny ianao ho bankiropotra ihany satria tsy dia misy olona firy mahalala ny zavatra amboarinao, sady eo koa ny fisainan’ny malagasy izay manan-kevitra fa ratsy hatsarana ny zavatra amboarin’ny malagasy ; fantako fa marina tokoa izany, fa tsy toa izany akory mikasika ny zava-drehetra.

Tsy ny politika irery no diso, fa ny fisainana ihany koa.

Tsy vokatry ny politika ihany na ny tsifisian’ny «sécurité» akory ny fahantran’ny malagasy amin’ny lafin’ny ara-toekarena ary amin’ny lafin’ny ara-bola. Onen’ny vahiny fotsy hoditra ny afrikanina amin’ny ankapobeny, ka tonga izy mitondra izao forongo isan-karazany izao eto amin’ny tanindrazana, ka na dia manampy aza izy ireo amin’ny voalohany, mamono ny orinasa malagasy anaty ny atodiny ireo fanampiana ireo, ary mitondra vokadratsy mihalalina hatrany hatrany : any Nizera ohatra, mijanona mamonkatra ireo tantsaha.

Inona ny mahatonga izany ? Tsy aloha vola ny sakafo omen’ny PAM, na kely dia kely ny vola aloha. Tsy misy vola iainana intsony ny tantsaha dia miala maina. Ka noho izany ilay PAM sady mampakamo ireo manan-kevitra ny hamorona orinasa, no mamono ny efa misy. Torak’izany koa ny vary birmàna tany Madagasikara tamin’ny taona 2010 izy izay raha tsy diso aho. Tsy misy hohanina intsony ny tantsaha dia manipy gant avokoa. Ka aveo ho vitsy ireo tantsaha mbola mamboly anefa ny isam-ponina mbola mitombo ihany, dia amin’ny farany hisondrotra ny vidim-bary, ary tsy hahavidy vary intsony ny malagasy, dia mbola hafarana any ivelany, dia toa izany hatrany, hatrany amin’ny ady an-trano !

Tetikasa Wikimedia amin’ny fiteny afrikana

Amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy ny Wikipedia amin’ny teny afrikanina izay manana isan-dahatsoratra mihoatra ny iray hetsy. Mety ny fanjakazakan’ny Wikipedia amin’ny fiteny eoropeana lehibe angamba, ary koa ny habetsahan’ny “details” ao amin’ny lahatsorany angamba no mety mahatonga izany. Ary noho izany, ny fiteny ofisialy rehetra ny Vondrona Eoropeana (afatsy ny fiteny maltey) dia manana isan-dahatsoratra mihoatra ny efatra alina. Ny Wikipedia amin’ny fiteny eoropeana lehibe indrindra dia ny teny anglisy mazava ho azy, arahan’ny fiteny alemana, ary ny fiteny frantsay.

Ny Wikipedia amin’ny teny anglisy moa dia manana lahatsoratra lava be saika mikasika ny zava-drehetra. Jereo fotsiny ny zavatra mikasika an’i Madagasikara eo amin’ny Wikipedia amin’ny anglisy : raha amin’ny resaka antsipirihany aloha dia efa resiny lavitra ireo Wikipedia amin’ny teny frantsay maika fa ny teny malagasy… Ary tsy mikasika ny zavatra momban’i Madagasikara ihany izany, fa saika amin’ny zava-drehetra mihitsy.

Na dia efa nihena betsaka aza ny lanjan’ny Wikipedia amin’ny teny anglisy eo anivon’ny tetikasa Wikipedia amin’ny ankapobeny, dia mbola voasoratra amy fiteny indo-eoropeanina foana ny enina amin’ny dimampolo (56) isan-jaton’ny lahatsoratra eo amin’ny tetikasa Wikipedia.

Ny olana amin’ny fiteny afrikanina dia izy ireo tsy manana sata ofisialy : tsy ampiasaina ho teny ofisialy, tsy fampiasa an-tsoratra… satria betsaka amin’ireo firenena afrikana no mampiasa na ny teny frantsay na ny teny anglisy. Ireo firenena afrikanina tavaratra moa dia mampiasa ny teny arabo avokoa (fa tsy ny teny berbera). Ilay tsifananana sata ofisialy io miampy ny tsifananana fomba fanoratana iray no mahatong any fiteny afrikana tsy mivoatra eo amin’ny aterineto. Resaka amin’ny ankapobeny izany ataoko izany, ary fantatro fa misy fiteny afrikana mivoatra eo amin’ny aterineto.

Wikipedia amin’ny fiteny amin’izao fotoana izao

Dia ahoana ihany izany ny momban’ny Wikipedia amin’ny fiteny afrikana ? Ny teny malagasy no voalohany amin’ny lafin’ny isan-dahatsoratra voatahiry, ny fiteny yoruba no manaraka azy, arahan’ny fiteny soahily ary ny fiteny afrikaans. Ireo Wikipedia roa farany ireo no nanjakazaka tamin’ny Wikipedia nandritry ny taona maromaro. Ny manarana ny fiteny afrikaans ary ny fiteny swahily dia ny fiteny amharika izay miisa lahatsoratra iray alina mahery kely.

Andao àry jerena akaikikaiky ny zava-mitranga ao amin’ny Wikipedia. Ao amin’ny WIkipedia amin’ny teny malagasy dia misy olona tokana ihany no mandray anjara : tanatin’ny efa-taona, eo amin’ny telo alina eo no isan’ny lahatsoratra nosoratany. Izy irery ve no nanoratra ireo telo alina ireo ? “no life” amin’i Wikipedia ve izy io ? Tsia ! Mampiasa ny atao hoe “mpikambana rôbô” izy : Bot-Jagwar, izay namorona lahatsoratra eo amin’ny telo alina latsaka eo ho eo, mikasika ireo tanàna any Frantsa, Brazila ary Madagasikara. Manome fampahalalana ara-tstatistika ny akamaroan’ireo lahatsoratra ireo. Mbola tsy afa-manoratra lahatsoratra irery ny rôbô, sa ahoana ?

Wikibolana amin’ny teny afrikanina

Mitovy amin’ny zava-mitranga amin’ny Wikipedia ihany ny Wikibolana : manjakazaka tsy misy ohatr’izany ny teny malagasy, amin’izy io mananan teny iditra miisa eo amin’ny 1,4 tapitrisa, izay in-jaton’ny Wikibolana faharoa amin’ny fiteny afrikana be teny iditra indrindra. Tanatin’ny 18 volana no namoronana ny ankamaroan’ireo lahatsoratra ireo. Izay tsy afaka ataon’ny olona miisa valo ambin’ny folo maika fa olona iray…

Mitovy ihany koa ny fomba famoronana ireo lahatsoratra ireo : amin’ny alalan’ny rôbô. Amin’izany fomba izany eo amin’ny valo alina isan’andro eo ho eo ny lahatatsoratra azo foronina, raha ampiasaina anadro aman’alina. Afaka 13 andro izany dia efa feno ny iray tapitrisa. Ny Wikibolana amin’ny teny malagasy no azo antsoina hoe “Botovolana” (na amin’ny teny anglisy “Bottionary”).

Tsy dia misy fivoarana firy ny Wikiboky amin’ny fiteny afrikana. Ny teny afrikana mandroso indrindra dia ny teny afrikaans izay miisa toko dimampolo, arahan’ny teny malagasy (toko 32), soahily (toko 12) ary ny bambara (toko 7).