Momba ahy

Iza aho?

Amin’ny blaogy ary amin’ny blaogy madinika, Terakasorotany no solonanarako. Eo amin’ny tetikasa Wikimedia dia Jagwar no solonanarako. Miasa amin’ny kajimirindra eto Paris aho. Teraka tamin’ny 1993 aho tany Ambatondrazaka, Madagasikara, ary niaina tany folo taona aho. Ankehitriny dia monina eto Paris aho. Ho an’ny fampahalalana fanampiny dia vangio ny pejiko LinkedIn.
Mpandray anjara mavitrika eo amin’i Wikimedia aho. Amin’izao fotoana izao dia mamorona rôbô mpandika teny eo amin’i Wikibolana aho. Mamaky lahatsoratra ary mitady hevitra amin’ny fanatsarana ny rôbô soratako aho eo amin’ny Aterineto.

Ny tena mahaliana ahy

Ny tena mahaliana ahy dia ny fiteny, ary ny fanoratana fandaharana. Voalohany indrindra, tena mahaliana ahy ny teny malagasy, izay nianarako indray tamin’ny mbola 15 taona rehefa nanomboka nanoratra lahatsoratra teo amin’i Wikipedia. Nianarako indray ilay izy, satria rehefa nifindra monina teto Frantsa tamin’izao folo taona dia tsy ampy ny fahaizako teny frantsay, ka nandritra ny enin-taona aho dia tsy namporisihana nanoratra tamin’ny teny malagasy izay tenin-drazako.
Raha amin’ny lafiny fanoratana fandaharana indray dia Python no tena haiko soratana, ary tamin’io fiteny io no nanoratana ny rôbô wiki ampiasaiko. Rehefa mila fandaharana kinga kokoa aho na rehefa manatanteraka asa ho an’ny fianarana dia mampiasa C na C++. Tamin’ny asa nataoko, dia nahazo fahaizana mikasika an’i Java sy C++ aho.
Mahay Python tsara aho, izay fiteny fandaharana nanoratako ilay rôbô mpandika teny. Rehefa mila fahakingana kokoa aho (satria tsy Python no fiteny fandaharana mandeha haingana indrindra), na rehefa mila manao asa an-trano, dia manoratra amin’ny alalan’ny fiteny fandaharana C/C++ aho. Tamin’izao nanao stage tanaty orinasa, dia nahazo fahaizana amin’ny fiteny Java ary C++ be kokoa aho.

Rehefa taty aoriana dia nitombo ny fahaizako mahakasina ny teknolojia famelarana fandaharana toa i Docker, Kubernetes na Jenkins aho. Eo akaikin’izany dia nitombo ihany koa ny fahaizako mahakasika ireo fiteny enti-misavasava banky angona toa ny SQL.

Fiteny natoraly haiko

Teny malagasy no teny nibeazako. Teny frantsay no teny faharoako, ary ny teny anglisy no teniko fahatelo. Miteny espaniôla ihany koa aho, ary mahazo teny italianina kely. Mianatra teny japoney, sinoa ary esperanto aho. Teny sinoa sy esperanto satria tiako ny fomba fanoratany, ary ny fahamoran’ny

Aiza koa no mety ahitanao ahy

Midadasika ny Aterineto. Raha tsy isaintsika ity tranonkala ity dia ho hitanao eo amin’i Twitter aho amin’ny solonanarana @terakasorotany izay hanoratako tweet amin’ny teny anglisy, malagasy na frantsay. Manana kaonty Facebook koa aho izay mety ho omeko anao raha misy ilaina. Mazava ho azy, eo amin’ny tetikasa Wikimedia isan-karazany aho amin’ny anarana Jagwar.

2 thoughts on “Momba ahy”

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *