Rehefa mandroso ny taona dia mahatsapa aho fa hoatry ny mihahaingana hatrany ny fandrosoan’ny fotoana. Efa lasa sahady ny taona 2013. Tsy hitahita akory dia efa folo taona mahery izay no nialako an’i Madagasikara. Roapolo taona tamin’ny volana Jolay aho. Inona sisa no tavela tato an-dohako tamin’iny taona 2013 iny?
Andao ary isika hanomboka amin’ny fihatombohany. Efa mby hifarana ny taona 2012. Taiza aho? Lasa nanao reveillon niaraka tamin’ny raiamandreny tany amy tanàna izay tsy fantatra intsony ny anarana. Tany aho no nankalaza ny fahatongavan’ny taona 2013.
Fara andro tsy tanteraka
Tamin’ny volana Jolay 2012, nanoratra lahatsoratra momban’ny fara andro izay noheverina fa hitranga tamin’i 21 Desambra 2012 aho, tamin’ny teny anglisy. Na dia betsaka aza ny zavatra nalefa teo amin’ny fahitalavitra momba io daty io, dia kely finoana ihany aho, fa na dia izany aza, tsy nanakana aho ny hanoratra scenario ho an’io daty io aho : iaraha-malala koa fa tena henjana be ny toe-javatra ara-toe-karena tety Eoropa tamin’izany fotoana izany. Tsy izay irery no tena nanaitaitra fa nisy koa ilay vinanin’i Web bot, izay mambara fa ho fara andro ny 21 Desambra 2012. Tamin’ny voalohany dia teo amin’ilay lahatsoratra teo aho no namoaka ilay hevitra ary nanitratra azy teto amin’ity blaogy ity. Rehefa dilatra ny 21 Desambra, dia tsy hay intsony izay vaovao momban’ilay Webbot izay milaza fa maminany fara andro izay.
Miofana an’asa
Rehefa tonga kosa ny 2013, ary tsy nisy zavatra manokana nitranga. Marina fa betsaka ireo olo-nalaza maty. Tamin’ny faran’ny volana Janoary, nitady orinasa hiofanana aho, ary nahita tapa-bolana taorian’izay. Orinasa miasa amin’ny kajimirindra izay orinasa izay ary ny tena ataony dia mamorona rindrankajy hanaovana sary ary hanaovana piesy mekanika. Na dia mahay manao fandaharana informatika aza aho, dia tsy mora ny zavatra niandry ahy tany.
Nandritry ny roa volana sy tapany, dia manao 80km isan’andro aho mandeha lamasinina. Na dia betsaka aza ny zavatra nianarana, vizaka ihany ny vatana rehefa ela ny ela. Rehefa vita ny fanolorana am-bava ny tatitra (frantsay: soutenance) dia “fialan-tsasatra” no teny voalohany tonga tato an-tsaiko : tapa-bolana aho tsy nanoratra fandaharana na inona na inona amin’ny fiteny fandaharana C na Python na amin’izay fiteny rehefa voafehiko. Tsy nahaforona lahatsoratra teo amin’i Wikipedia koa aho fa tena leo niasa.
2013-2014, ilay taom-pianarana saika fotsy
Rehefa nifarana tokoa ny taona ary rehefa azo ny mari-pahaizana dia nangataka fianarana hanohizana ny fiofanana. Tao amin’ny Oniversiten’i Versailles, ary tao ihany, aho no nametraka kandidatiora. Tamin’ny volana Septambra vao nivoaka ny valin’ny kandidatiora : voalà – tsy mahazo miditra. Ny fianarana amin’izany efa miditra daholo, ary vitsy ireo fianarana mbola mandray mpianatra. Notetezina daholo ireto fianaran’i Île-de-France, fa mbola tsy nahita foana. Na dia izany aza, nametraka kandidatiora tao amin’ny fianarana ho injeniera aho, fa kely finoana ihany aho tamin’iny satria efa niditra ny mpianatra.
Nisasaka ny volana Septambra ka mbola tsy nisy namaly ireo fianarana hafa nametrahako kandidatiora. Na dia izany aza mbola nisy ihany ny fanantenana satria efa fantatro fa ho BAC+3 aho farafaharatsiny (nametraka kandidatiora tamina lisansa profesionaly aho, ary fantatra fa ho voaray na inona na inona mitranga). Kinanjo tonga ny valin-kandidatiora napetraka tatsy amin’ilay fianarana ho injeniera : voaray tao aho.
Nanomboka telo andro taorian’ny valin-kandidatiora ny fianarana ary tsy nisy fianarana tokony nenjehina.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *