Esperanto?

Mety efa nahenoheno ny fisian’ny teny esperanto ihany angamba ianareo… Ho an’izay tsy mbola naheno ny fiteny esperanto dia ity henoina, na ity vakio. Raha te hianatra ny zava-misy amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity jerena. Raha te hijery ny vaovao amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity vakiana.  Maro dia maro ireo Tranonkala hita amin’ny teny esperanto eo amin’ny aterineto, ary vao haingankaingana teo, afaka mandika amin’ny teny esperanto ny mpandika tenin’i Google Translate.

Ny tena tanjon’ny teny esperanto moa dia ny fananana teny oniversaly izay tsy manana fiaviana ara-tantara, ary noho izany tsy manana fianjadiana firy eo amin’ny lafin’ny ara-kolontsain’izay olona mampiasa azy na amin’ny fiainana mandavanandro na amin’ny fifandraisana amin’ny vahiny. Tsy fiteny ary tsy natao ho fitenin’ny mponina/firenena iray ny fiteny esperanto toa ny fiteny frantsay, anglisy, espaniola, na sinoa fa natao ho fitenin’ny mponina rehetra ; ary notsorina ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana mba hanamora ny fianarana azy.

Ny lafitsara ary ny olan’ny teny esperanto izay miseho ho fiteny oniversaly

Ny lafitsara amin’ny fiteny esperanto ho fiteny iraisam-pirenena, dia izy io mora ianarana ary mora tononina tsy ohatry ny teny anglisy (miisa eo amin’ny zatonjatony eo ho eo ny fitsipi-pitenenana). Izy io koa amin’izay tsy mi-”favoriser” ny olona miteny anglisy, izany hoe tsy ny britisy na ny amerikana intsony no mahazo tsy mianatra teny vahiny. Fahatelo, mety tsy very vola amin’ny dikan-teny isan-karazany intsony ny fikambanana tsirairay (toa ny vondrona eoropeana izay mandany 0,3 miliara euro amin’ny dikanteny).

Tokana ihany ny fihavian’ny voambolona fotony : ny 90%-n’ny voambolana sy ny fototeny dia avy amin’ny teny indo-eoropeana daholo. Amiko ilay teny oniversaly dia lasa eoropeanina loatra! Misy fanazavana kely ihany izany, satria tamin’ny fotoan’i Zamenhof, manjakazaka eran-tany ny eoropeanina (Afrika, Amerika, India, Indonezia, Oseania…), ka mety nihevitra izy fa haharitra izany (ary marina tokoa izy !).

Mora ianarana ve ?

Ka raha izaho, olom-pirenena malagasy tsy nahalala afatsy teny malagasy, no mianatra esperanto, hahateny esperanto ve izaho afaka 100 ora nianarana esperanto ? Ataoko hoe eo amin’ny 5-800 ora eo ho eo angamba no ilaiko hahafahako miteny esperanto tsara tsy misy fisalasalana. Efa kely izany raha oharina amin’ny teny frantsay, izay, na dia afaka telo taona nianara azy aza, mbola diso foana ny fampiasana ny mpanompo andehilahy/ambehivavy… Tsy lazaina intsony ilay fahasamihafana ara-tsoratra fa tsy ara-panononana ny ces, ses, c’est, sait ! Ka raha mila misafidy amin’ireo teny roa ireo aho (esperanto, frantsay), dia aleoko marina teny esperanto.

Be mpiteny ve ?

Tsy misy statistika tena ofisialy mikasika ireo olona miteny esperanto. Fa lazaina fa any amin’ny roa ka hatramin’ny 10 tapitrisa any ho any ny isan’ny olona miteny esperanto. Iray na roa alina amin’ireo folo tapitrisa ireo monja no afaka miteny azy tsara ho mira-lenta amin’ny teny nibeazany. Ampahazaton’ireo mpiteny esperanto tsara ireo no nibe tamin’ny teny esperanto (izay antsoinjareo koa hoe denaska parolanto)

Ary ianareo mamaky ?

Mba efa nanandrana nianatra ny fiteny esperanto ve ianareo ? Raha eny dia ahoana no ahitanareo ny fahasarotany, raha tsia kosa, dia ahoana ny ahitanareo ny endriny avy ety ivelany : hitanareo eorosantrista ve ilay fiteny ?

One thought on “Fiteny noforonina : fiteny esperanto”
  1. Miaina sy mampiasa teny Esperanto isanandro aho. Misy fahamarinany ilay hoe eurocentriste ilay izy nefa tsy dia mametraka olana izany satria tsy afaka misekoseko ho tompony na ny Eoropeana aza. Rehefa hay tsara izy dia tena ianao no tompony ary tsy mahatsiaro tena ho mpindrana ianao manoloana ilay olona miresaka aminao. Ao izany no tena ahatsapana izany fitovian jo (na dia tsy mitovy aza ny fahaiza-mifehy azy) ara-pitenenana izany. Entaniko ny tanora malagasy hianatra Esperanto satria mora kokoa ny fifehezaba azy ary azo ampiasaina avy hatrany. Varavarana misokatra iray hafa amin’ny fifandraisana eran’izao tontolo izao izy. Azonao atao ny mitsidika ny https://esperanto-malagasio.jimdosite.com raha te-hianatra Esperanto ianao.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *