Amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy ny Wikipedia amin’ny teny afrikanina izay manana isan-dahatsoratra mihoatra ny iray hetsy. Mety ny fanjakazakan’ny Wikipedia amin’ny fiteny eoropeana lehibe angamba, ary koa ny habetsahan’ny “details” ao amin’ny lahatsorany angamba no mety mahatonga izany. Ary noho izany, ny fiteny ofisialy rehetra ny Vondrona Eoropeana (afatsy ny fiteny maltey) dia manana isan-dahatsoratra mihoatra ny efatra alina. Ny Wikipedia amin’ny fiteny eoropeana lehibe indrindra dia ny teny anglisy mazava ho azy, arahan’ny fiteny alemana, ary ny fiteny frantsay.

Ny Wikipedia amin’ny teny anglisy moa dia manana lahatsoratra lava be saika mikasika ny zava-drehetra. Jereo fotsiny ny zavatra mikasika an’i Madagasikara eo amin’ny Wikipedia amin’ny anglisy : raha amin’ny resaka antsipirihany aloha dia efa resiny lavitra ireo Wikipedia amin’ny teny frantsay maika fa ny teny malagasy… Ary tsy mikasika ny zavatra momban’i Madagasikara ihany izany, fa saika amin’ny zava-drehetra mihitsy.

Na dia efa nihena betsaka aza ny lanjan’ny Wikipedia amin’ny teny anglisy eo anivon’ny tetikasa Wikipedia amin’ny ankapobeny, dia mbola voasoratra amy fiteny indo-eoropeanina foana ny enina amin’ny dimampolo (56) isan-jaton’ny lahatsoratra eo amin’ny tetikasa Wikipedia.

Ny olana amin’ny fiteny afrikanina dia izy ireo tsy manana sata ofisialy : tsy ampiasaina ho teny ofisialy, tsy fampiasa an-tsoratra… satria betsaka amin’ireo firenena afrikana no mampiasa na ny teny frantsay na ny teny anglisy. Ireo firenena afrikanina tavaratra moa dia mampiasa ny teny arabo avokoa (fa tsy ny teny berbera). Ilay tsifananana sata ofisialy io miampy ny tsifananana fomba fanoratana iray no mahatong any fiteny afrikana tsy mivoatra eo amin’ny aterineto. Resaka amin’ny ankapobeny izany ataoko izany, ary fantatro fa misy fiteny afrikana mivoatra eo amin’ny aterineto.

Wikipedia amin’ny fiteny amin’izao fotoana izao

Dia ahoana ihany izany ny momban’ny Wikipedia amin’ny fiteny afrikana ? Ny teny malagasy no voalohany amin’ny lafin’ny isan-dahatsoratra voatahiry, ny fiteny yoruba no manaraka azy, arahan’ny fiteny soahily ary ny fiteny afrikaans. Ireo Wikipedia roa farany ireo no nanjakazaka tamin’ny Wikipedia nandritry ny taona maromaro. Ny manarana ny fiteny afrikaans ary ny fiteny swahily dia ny fiteny amharika izay miisa lahatsoratra iray alina mahery kely.

Andao àry jerena akaikikaiky ny zava-mitranga ao amin’ny Wikipedia. Ao amin’ny WIkipedia amin’ny teny malagasy dia misy olona tokana ihany no mandray anjara : tanatin’ny efa-taona, eo amin’ny telo alina eo no isan’ny lahatsoratra nosoratany. Izy irery ve no nanoratra ireo telo alina ireo ? “no life” amin’i Wikipedia ve izy io ? Tsia ! Mampiasa ny atao hoe “mpikambana rôbô” izy : Bot-Jagwar, izay namorona lahatsoratra eo amin’ny telo alina latsaka eo ho eo, mikasika ireo tanàna any Frantsa, Brazila ary Madagasikara. Manome fampahalalana ara-tstatistika ny akamaroan’ireo lahatsoratra ireo. Mbola tsy afa-manoratra lahatsoratra irery ny rôbô, sa ahoana ?

Wikibolana amin’ny teny afrikanina

Mitovy amin’ny zava-mitranga amin’ny Wikipedia ihany ny Wikibolana : manjakazaka tsy misy ohatr’izany ny teny malagasy, amin’izy io mananan teny iditra miisa eo amin’ny 1,4 tapitrisa, izay in-jaton’ny Wikibolana faharoa amin’ny fiteny afrikana be teny iditra indrindra. Tanatin’ny 18 volana no namoronana ny ankamaroan’ireo lahatsoratra ireo. Izay tsy afaka ataon’ny olona miisa valo ambin’ny folo maika fa olona iray…

Mitovy ihany koa ny fomba famoronana ireo lahatsoratra ireo : amin’ny alalan’ny rôbô. Amin’izany fomba izany eo amin’ny valo alina isan’andro eo ho eo ny lahatatsoratra azo foronina, raha ampiasaina anadro aman’alina. Afaka 13 andro izany dia efa feno ny iray tapitrisa. Ny Wikibolana amin’ny teny malagasy no azo antsoina hoe “Botovolana” (na amin’ny teny anglisy “Bottionary”).

Tsy dia misy fivoarana firy ny Wikiboky amin’ny fiteny afrikana. Ny teny afrikana mandroso indrindra dia ny teny afrikaans izay miisa toko dimampolo, arahan’ny teny malagasy (toko 32), soahily (toko 12) ary ny bambara (toko 7).

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *