Ity lahatsoratra ity dia dikanteny amin’ny teny malagasin’ny lahatsoratra nosoratako tamin’ny teny anglisy vao andro vitsivitsy izay.
Mandray anjara tamin’i Wikibolana aho nanomboka tamin’ny taona 2010. Lasa fahazarana ilay izy: isam-bolana,isan-kerinandro, isan’andro, ary isa-maraina na isa-kariva, dia alefako ny mpitety tranonkala ijerena izay zavatra nitranga teo amin’i Wikibolana, ary mijery ny zavatra izay azoko atao mba hanampiana votoatiny be kokoa.
Tsindraindray dia tena manam-piniavana ny hanampy fampahalalana iray amin’ny pejy maro aho ka mandany ora maromaro manoratra fandaharana hanampiana izany amin’ny fomba faran’izay haingana.
Ary tsindraindray aho dia tena tsy tia handray anjara, ka mijery ny fiovana farany sy mijery ireo pejy izay mety nosimbaina aho, na mijery ireo pejy novain’ny mpikambana hafa.
Na dia izany aza, dia betsaka ireo fomba fandraisana anjara ao amin’i Wikibolana. Dimy amin’ireo no ho atolotra eto:
(1) Manoratra pejy amin’ny tanana. Zavatra mora indrindra atao na dia zavatra mahavizaka indrindra amin’ny voalaza aza. Manomboka nanoratra pejy amin’ny tanana (amin’ny alalan’ny fitendry) avokoa ny mpandray anjara rehetra, ary mety ho toa izay hatrany mandritra ny telopolo taona. Amin’ny 2045, dia ho lasa tola ny Wikipedia na i Wiktionary amin’ny endriny ankehitriny raha tsy efa manova ny votoatiny ho azy.
Alohan’ny hitrangan’izany dia ho betsaka dia betsaka ny asa atao. Na dia izany aza, dia afaka mampitombo ny habetsaky ny asa vitanao ianao amin’ny alalan’ny fianarana manoratra fandaharana. Rehefa hay tokoa izay dia:
(2) Manoratra fandaharana manoratra pejy izay mety ilaina ahitsy rehefa aty aoriana. Mora izany, ka niezaka tamin’izany aho nandritry ny telo taona. Rehefa mandeha ny fotoana dia betsaka ireo pejy voaforona, ka na dia kely aza ny taham-kadisoana dia lasa betsaka ireo pejy misy hadisoana. Ekena izany, fa betsaka noho izany ireo pejy tsy misy hadisoana. Rehefa ampiarahana amin’ny rakibolan-teny mitovy hevitra sy fahaiza-manodina teny voajanahary (Natural language processing) dia afaka mampamaritra teny tsy afaka dikaina amin’ny fiteny tanjona ianao.
(3) Manoratra fandaharana mamaky gazety ahitana ireo teny sy pejy tsy misy. Rehefa feno ny rakibolana dia mihasarotra hatrany ny fahitana teny vaovao hoforonina. Mety tsy hanam-piniavana ny hamaky lahatsora-gazety am-polony ianao, ka manorata fandaharana hamaky azy ireo ho anao ary maka ireo teny tsy ampy ho anao. Rehefa vita izany dia manorata fandaharana mitady ireo teny nakambana rehefa ary hanampy azy ireo ao amin’i Wikibolana. Ny lenta eo ambonin’izany karazam-pandaharana izany dia mpitady teny mivantana mamaky fahan-tsoratra avy ao amin’i Twitter ohatra, ary mametraka ireo teny rehetra tsy mbola voafaritra ao amin’i Wikibolana amin’ny faran’ny andro.
Zavatra iray ny mianartra manoratra fandaharana, fa zavatra roa samihafa ny fanampiana fampahalalana ary ny mahafantatra hoe fampahalalana inona no tsara ampiana. Rehefa mitsiry ny hevitra, na misy angona mikasika ny teny mahaliana eo am-pelantanana dia manorata fandaharana hametrahana ireo singam-pampahalalana ireo amin’i Wikibolana. Ataovy am-panajana ireo zom-pamorona izany.
(4) Mitety rakibolana ary manampy teny tsy fahita matetika. Mahaliana anao ve ny etimôlôjia? Am-pianarana teny vaovao ve ianao? Misy ao amin’i Wikibolana ve ireo teny ireo? Aza misalasala fa ampio ireo teny ireo. Atao am-panajana zom-pamorona foana izany. Azo heverina hoe asan’ny tena ny fakana teny maro avy amin’ny rakibolana maromaro, fa aza mandikadika foana ny famaritan-teny. Nanao izany aho ary saika voatory noho ny fitarainan’ny tompon’asa. Raha havanana amin’ny haranitan-tsaina voatrolombelona (AI) sy fahaiza-manodina teny voajanahary ianao dia manorata fandaharana mandika fehezanteny.
Mahery ny fandaharana. Betsaka ny fotoana ilaina amin’ny fanoratana fandaharana tsara, ka tsy vonona ny hianatra izany ny ankamaroan’ireo mpandray anjara, ka inna ny atao?
(5) Manorata amin’ny Wikibolana amin’ny teny nibeazanao. Raha atokantsika ny teny angisy dia soratana anaty fiteny 170 ny Wikibolana. Betsaka amin’ireo no manam-pejy latsaky ny iray hetsy. Vokatry ny finiavako ny hamorona ny rakibolana lehibe indrindra amin’ny teny malagasy ny haben’i Wikibolana malagasy amin’izao fotoana. Raha tsy teny anglisy no eny nibeazanao, dia mianara teny vahiny ary ampio ny teny ampiasainy, na ao amin’ny Wikibolana na aiza na aiza. Raha tsy mahaliana ana ny fianarana teny vahiny dia ampio ireo tenin-jatovo tsy mbola hita amin’ny teny nibeazanao.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *